Climate school: Fanentanana mahakasika ny fiovaovan’ny toetrandro an-tsekoly

  • samedi, 07 avril 2018 20:50

Io no hetsika entin’ny sampandraharaham-paritry ny tontolo iainana sy ny haivoahary ary ny ala miady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ato anatin’ny faritra Boeny.

Sekoly 19 nanaovana fanentanana sy nandray anjara tamin’ny diabe, radio crohet ary slam.

Omaly no nizarana ny loka ho an’ireo mpandresy teny amin’ny Complexe Sportif Ampisikina notronin-dRamatoa minisitry ny tontolo iainana sy ny haivoahary ary ny ala, Ndahimananjara Johanita.

Ankoatra ny fitaovana fikarakarana zaridaina azon’ny laharana voalohany dia hitsidika ny valan-javaboahary Ankarafantsika ihany koa ireo mpianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina La Bonne Etoile androany.

Nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpamboly nifaninana isaky ny distrika ka nozaraina fitaovam-pambolena entin’izy ireo mampiroborobo ny asam-pambolena ataony.

Tanjona amin’izao hetsika izao moa ny hanenàna ny fanimbana tontolo iainana nataon’ny olombelona ka miainga avy amin’ireo mpianatra vao misondrotra no hanaovana fanentanana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.