Vakinankaratra: 22% ny tahan’ny fahazoana rano fisotro madio

  • jeudi, 05 avril 2018 20:15
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Manomboka androany 5 aprily eto Antsirabe ary haharitra hatramin'ny 7 aprily ny fankalazana ny Andron'ny rano, izay tokony ho natao tamin’ny 22 marsa. Fampiratiana sy famelabelaran-kevitra no nanamarihana izany, nanoloana ny lapan'ny tanànan'Antsirabe.

Isan'ireo faritra manankarena rano i Vakinankaratra, hoy Rakotonirina Raijavola, Talem-paritry ny Rano sy ny Angovo ary ny akoran'afo Vakinankaratra, kanefa dia mbola ambany ny tahan'ny fahazoana rano fisotro madio ho an'ny mponina satria raha 27% eo ho eo ny taha ambony indrindra eran'i Madagasikara dia vao 22% ny an'i Vakinankaratra manontolo, ka mbola ilàna ezaka goavana ny fanatanterahana izany sy ny fiarovana ireo tahirin-drano misy.

“Tontolo voakolokolo, Tahirin-drano voaharo", izay lohahevitry ny fankalazana tamin’ity. Hanamarika ny fankalazana amin’ity taona ity ho an’i Vakinankaratra ny fitokanana ny foto-drafitrasa famatsiana rano fisotro madio ao amin'ny Kaominina Ampitatafika, Distrikan'Antanifotsy ny zoma 6 aprily.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.