Aretina lefakozatra : Midina ifotony mitily ireo manana fahasembanana

  • mercredi, 04 avril 2018 18:57
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Na eo aza ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fanafoanana tanteraka ny lefakozatra (Polio) dia mbola misy kosa ireo efa mitondra takaitra tamin’izany aretina izany ka mila fitsaboana. Isan’ny mandray an-tanana izany ny Hopitaly CRMM Antsirabe na ny « Centre de Rééducation Motrice de Madagascar ».

Misy ny hetsika fitiliana ifotony ataon’izy ireo any ambanivohitra lavitra any ka isan’ny nanaovana izany ny Kaominina Andranomanelatra androany alarobia 04 aprily. Tsy ireo kilonga intsony no tiliana fa ireo rehetra manana fahasembanana amin’ny rantsam-batana, ka aorian’ny fitiliana dia miakatra aty Antsirabe ireo tena hita fa mila fandidiana.

Ny Croix Rouge Monaco no miantoka manontolo ny fandidiana na ny fitsaboana ireo olona tena mila izany, ka tonga eto an-toerana mihitsy ireo solontenan’io fikambanana io, nijery ny fomba fiasan’ny CRMM.

Nambaran’i Dr Voahangy, avy ao amin’ny CRMM fa asa efa fanaon’izy ireo ny fitiliana, saingy olana ho an’ny any ambanivohitra ny saran’ny fandidiana sy ny fitsaboana ka izany no hisian’ny mpiara-miombon’antoka toa izao ka hanetanan’izy ireo ny olona mba hanatona toeram-pitsaboana amin’izay.

Nambaran’ny Ben’ny Tanana Andranomanelatra fa “maro ireo olona efa voatily, ary hatramin’ny olon-dehibe no mila ity fandidiana sy fitsaboana ity, ao Andranomanelatra”.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.