08 martsa: Nisafidy ny hiara-hankalaza tamin’ireo vehivavy teto Toamasina Rtoa Juliana Ratsiraka

  • dimanche, 11 mars 2018 19:21
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Raha ny fanapahana noraisin’ny faritra Atsinanana nankalazana ny 08 martsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy, dia Brickaville no mampiantrano ny hetsika rejionaly tamin’ity taona ity.

Tsy maintsy namonjy tany avokoa ireo sampam-behivavy eo anivon’ny asam-panjakana sy ny talem-paritra samihafa ato amin’ny faritra Atsinanana.

Tsy ny fikambanam-behivavy rehetra anefa no afaka nanatrika izany noho enti-manana samy nanana ny azy, ka ho fitsinjovana azy ireo dia nanomana hetsika manokana ho azy ireo ny vadin’ny Ben’ny Tanànan’i Toamasina, Rtoa Juliana Ratsiraka, lanonana izay natao teo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna.

Nisy ny filaharam-be nanodidina ny Lapan’ny Tanàna nandraisan’ireo fikambanam-behivavy avy eny anivon’ny Fokontany sy ny tsena ary ireo mpanao asa soa isan-karazany niisa 40 teo, saingy namiratra tamin’ny fandraisany anjara koa ny antoko TGV-MAPAR sy ireo mpanohana azy ary ny FIMAMI izay nameno ny mpandray anjara hatramin’ny 4.000 teo.

Ny fikambanan’ny vadin’ny Ben’ny Tanàna “Ny Association Ntsika” sy ny an’ny Ben’ny Tanàna “APPEL: Appel pour la Patrie et le Progrès pour la Liberté” no nanomana sy nikarakara izao hetsika izao.

Nambaran-dRtoa Juliana Ratsiraka fa “tsy misy fampandrosoana ho vanona sy ho vonona eto raha tsy miara-mandray andraikitra sy mifampitsinjo ary mifanohana isika, satria ny fandraisana andraikitry ny vehivavy izay arovan’ny lalàna sy ny fifanarahana iraisam-pirenena samihafa, dia mitarika antsika ho tompon’andraikitra amin’ny hoavin’ny taranantsika sy ny hoavin’ny firenena ihany koa”; koa “mila mitraka sy mihoatra isika vehivavy ao anatin’izany satria miandry antsika ny Firenena, mila antsika ny vahoaka, ary mijery antsika ny taranantsika”, hoy hatrany ity vadin’ny Ben’ny tananan’i Toamasina ity.

Omby roa no natao nofon-kena mitam-pihavanana nifampizaran’izy ireo nandritra ny fankalazana; rindran-kira teo anoloan’ny lapan’ny Tanàna kosa no namaranana izany ny alakamisy tolakandro ny 08 martsa io.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.