Mahajanga: Fa inona ity Assanati famo gidraka ity ?

  • lundi, 12 février 2018 12:24
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Maro ny fanontaniana mipetraka mahakasika ity fikambanana Assanati famo gidraka ity. Teto Mahajanga no niantombohany ary tsy vao izao no nisiany fa efa an-taonany maro. Tovovavy zanak'i Mahajanga vato nasondrotry ny tany ary mipetraka any ivelany no nanorina azy sy mbola mpitantana azy ankehitriny.

Asa sosialy sy fanampiana ny mpiara-belona madiodio no tanjona fa tsy misy idiran'ny resaka politika, tsy misy mpamatsy vola na fanampiana avy any ivelany fa ramatoa Assanati no mampiodina izany fikambanana izany.

Efa mahatratra 1.425 ireo mpikambana misitraka ny fanampiana avy amin'ny fikambanana. Teny filamatra ny hoe : "Werawera tsy maintsy mandeha, tsika jiaby toujours werawera avec Assanati Famo Gidraka, werawera tsy misy tambana". Ny dikan'ny hoe : Assanati famo gidraka moa dia Assanati, vehivavy mahavita raha.

Tsy eto eto an-tanindrazana moa ny filoha mpanorina ny fikambanana fa any ampitan-dranomasina, ka dia ny reniny nahitany masoandro no nanoloran’ny birao mpitantana fanomezana sy firariantsoa noho ny taona vaovao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.