Sambava: Ahiana ny fitsaram-bahoaka

  • jeudi, 08 février 2018 16:35
  • Tahirin-tsary Gasypatriote Sambava

Nanaitra ny mponina ary lasa resabe eto Sambava ny nahitana sahady ilay "Patron" izay tratra ambodiomby nikarakara lavanila tsy mbola matoy nilanja 250kg tao amin'ny trano fonenany tao Antanifotsy II Sambava.

Niainga avy tamin’ny loharanom-baovao avy tamin’olona tsara sitrapo no nahafahan'ny Zandary avy amin’ny GAPJ (Groupe d’Appui de la Police Judiciaire) nanao be midina ary akory ny hagagana fa indreo tokoa ny lavanila tsy matoy nilanja 250kg izay mitentim-bidy 250.000.000 Ariary raha kely indrindra.

Natolotra ny Fitsarana izy taorian'ny famotorana, dia izao efa miverina an-tanàna izao tsy nisy herinandro akory.

Ny manaitra hoy ny olona eto Sambava dia ireo nahatratrarana lavanila tsy matoy 10kg izay natolotra ny Fitsarana dia mbola any am-ponja, nefa rehefa "Patron" dia izao mibaribary izao ny zava-misy, izay mampihena ny fitokisan'ny Vahoaka ny Fanjakana ary ahiana hampirongatra ny fitsaram-bahoaka.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.