Miandrivazo: Nitondra fanampiana ho an'ireo traboian'ny AVA ireo mpisera-dia aty Antsirabe

  • dimanche, 04 février 2018 16:40
  • Sary Nomena

Vokatry ny fandalovan’ny rivodoza AVA farany teo, dia nisy ny fiakaran’ny renirano izay niteraka fahasimban’ireo toeram-ponenana maro manamorona ny reniranon'i Mahajilo, ary indrindra ny fambolen’ireo mponina tao amin’ny kaominina maro mandrafitra ny Distrikan'i Miandrivazo.

Nahatsiaro ho nanana adidy ny “Fivondronamben’ireo mpisera-dia (guide touristique) taty Antsirabe ka nikarakara hetsika tolo-tànana izay nifarimbonana sy nandraisan’ireo mpisehatry ny fizahantany rehetra anjara, toy ny Tour opérateur, hôtelier, restaurateur ary ireo mpisera-dia …

Ny alakamisy 01 febroary teo no nanateran’ny solontena avy amin’izy ireo izay voaangony tany Miandrivazo. Ka rehefa nahazo ny fankatoavana tamin’ny lehiben'ny distrika dia niroso tamin’ny fizarana izay niandraiketan’ireo namana mpitondra lakana (piroguier) mpisehatra amin’ny fizahantany ihany koa.

Ka ny site iray izay itoeran’ireo traboina teo amin’ny EPP Miandrivazo, izay nahitana tranolay efatra lehibe sy salatsalany iray, no notsongaina hanolorana ireo izay voaangona avy aty Antsirabe.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.