Sambava: Mahazo vahana ny fitokonana maro samihafa

  • mercredi, 31 janvier 2018 20:30
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nobahanan’ireo Taxi-Bajaj ny lalam-pirenena RN5A teto Antaimby-PMU, androany mitatao vovonana. Taorian’izay dia niaraka nitanjozotra nihazo ny toerana malalaka akaikin’ny Soavoanio izy ireo.

Nitaky zavatra maromaro amin’izay mety ho tompon’andraikitra voakasika izany izy ireo. Misakana ireo fiara taxi-brousse mba tsy hivezivezy handray mpandeha ao anatin’ny faritra hiasan’ny taxi-ville ho valin-kafatra tamin’ny fitokonana nataon’ireo taxi-brousse hisakanana ny Taxi-Bajaj tsy hivoaka ivelan’ny tampon-tananan’i Sambava ihany koa.

Dia tsy nahafaly azy ireo ihany koa ny namerenan’ny mpitandro filaminana azy ireo tsy ho any Antohomaro, faran’ny tananan’i Sambava na dia efa manana “autorisation” hahafahana hivoaka hatreny aza.

Nitaky ny fanavaozana ny biraon’ny coopérative taxi-ville ihany koa izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.