Sambava: Mpirahalahy niady lavanila, maty voafira antsy ny iray

  • lundi, 29 janvier 2018 19:21
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nentin-katezerana ny zokiolona manoloana ny fikasan’ity zandriny haka an-tsokosoko ny lavanila, lova navelan’ny rain’izy ireo izay nodimandry ny volana desambra 2017. Nisy ny fifamaliana tao an-tananan’i Marodara Soavinandriana misy azy ireo, ary niitatra tamin’ny fikasihan-tanana sy fifamelezana zava-maranitra izany omaly 28 janoary 2018.

Raha iny nikasa hanindrona antsy ny zandriny iny ilay zokiny, dia ny zava-maranitra teny an-tanan’ny zandriny no tonga aloha. Voapaka teo amin’ny lohany ilay zokiolona, 40 taona. Nifandrombahana nentina namonjy hopitalibe ao Besopaka ity farany saingy adiny iray nitsaboana azy dia namoy ny ainy.

Nandositra avy hatrany ilay nahavanon-doza ka karohin’ny mpitandro filaminana. Nangataka anefa ny Fianakaviana mba tsy ho sazina ny zandriny izay namono fa “fiarovan-tena no nataony”.

Namela kamboty lahy kely vao 4 taona, ilay namoy ny ainy. Notanterahina androany 29 janoary 2017 ny fandevenana ao amin’ny fasan-drazana ao Marodara Soavinandriana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.