Sambava: Tovolahy iray 30 taona naratra mafy voatsatok’antsy

  • lundi, 22 janvier 2018 12:31
  • Sary Gasypatriote Sambava

Izy mivady avy namonjy lanona no nifanehatra tamin’ny tovolahy iray tsy miakanjo omaly alahady 21 jaonary tokony tamin’ny sivy ora alina nitaky tamin’izy ireo hampiseho kara-panondro. Rehefa tsy nampiseho ireto mpivady dia nikasi-tanana ilay ramatoa ilay tovolahy niboridana. Raha iny hanavotra ny vadiny iny i Asperin Antoine no voatsatoka antsy.

Tsy lavitra ny toerana nisy fifandonana tao Analapenja Fokontany Antanifotsy 2 io anefa ny mpitandro filaminana sendra nanao fisafoana ka nanamora ny fisamborana ilay nahavanon-doza, izay anaty famotorana amin’izao.

Tsaboina ao amin’ny CHRR Besopaka Sambava ny maratra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.