Antsirabe: Manampy ireo tena sahira ny NAMANA

  • dimanche, 14 janvier 2018 22:05
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Olona sahirana ara-pivelomana an-jatony no nizaran’ny fikambanana NAMANA fanomezana ny zoma 12 desambra, teo anoloan’ny Tranompokonolona Antsirabe. Ny fanampiana ireo sahirana no antom-pijoroan’ity fikambanana ity ka ireo olona tena sahirana, toy ireo mpatory an-dalana sy ireo mpatory anaty trano « sachet » ireny no nizaran’izy ireo fanomezana teto.

Fikambanana iray efa nijoro nandritra ny enin-taona teto Antsirabe ny “NAMANA”. Nambaran’i Lin Rakotonindrainy, fa misy mpikambanana 35 mandrafitra azy ary izy ireo no mifanampy amin’ny fanangonana ireo fanampiana ho zaraina amin’ny mahantra.

Hatreto aloha dia mbola mionona amin’ny fanampiana ihany izy ireo fa tsy mbola tonga amin’ny tetika hanalana ireo olona sahirana ireo ao anatin’ny fahantrana hatreto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.