Andron’ny Manamboninahitra: Navitrika hatrany ny ACMIL

  • vendredi, 12 janvier 2018 11:41
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Isan’ny nipoiran’ny fankalazana ny Andron’ny Manamboninahitra ny Sekoly ambon’ny Tafika na ny Akademia Miaramila Antsirabe, satria tao no nipoiran’ity hetsika ity voalohany tamin’ny 1967.

Tamin’ity taona ity, dia nanamarika izany indray izy ireo ka nisy ny hetsika nanamarihana izany toy ny diabe, narahina fitafy isam-paritra nataon’ireo mpianatra ho Manamboninhaitra rehetra. Teo ihany koa ny fampiakarana ny fanevan’ny sekoly ka ny mpianatra zandriny indrindra no nitarika izany ary nitohy tamin’ny fanolorana gisa “oie traditionnelle”, izay isan’ny fomba tranainy fanaon’ny Manamboninahitra.

Taorian’izany dia nisy ny fampisehoana hakingana toy ny haiady, fiatrehana ny grevy sy ny ady amin’ny jiolahy nasehon’ny mpianatra.

Ny fianakaviam-ben’ny Manamboninahitry ny Akademia miaramila sy ny sekolin’ny ENSOA ary ny vondron’ny Zandary eto Antsirabe moa no niara-nanantateraka ny hetsika, izay notontosaina tao amin’ny Akademia Miaramila, notronin’ireo Manamboninahitra maro efa misotra ronono izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.