Fianarantsoa: Mankalaza ny Andron'ny Manamboninahitra ny eo anivon'ny foloalindahy

  • vendredi, 12 janvier 2018 10:03
  • Sary Gasipatriote Fianarantsoa

Ny Rezimanta voalohany Farintany Miaramila faharoa no mikarakaraka ny hetsika tamin'ity taona 2018 ity. Mankalaza ny faha-51 taona nisiany ny Académie Militaire ao anatin'izany.

Toy ny mahazatra sy fomba fanao dia ny zandriny indrindra no mitazona ny fibaikoana mandritra ity andro ity ka ny Lieutenant Zitason S.Verdoyant avy ao amin'ny andiany faha-36 no mandray izany.

Voahaja ny fanolorana ny "oie traditionnelle" ho an'ireo be galona indrindra eo amin'ny fiadidiany aty an-toerana.

Mitohy amin'ny fanatanterahana ny fanatanjahantena sy ny fiaraha-misakafo araham-bady izany hetsika fanamarihana izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.