Fantatrao ve: Ahoana ny fandrefesana ny habetsaky ny orana sy ny mety vokatra aterany

  • dimanche, 07 janvier 2018 12:40
  • Sary Gasypatriote

Betsaka ny rotsakorana nentin'ny AVA, niainga avy any Antsinanana, nitohy nahazo ny faritra afovoany, ary nivoaka any atsimo atsinanana.

Ankoatran'ny rivotra mifofo nentiny, dia maro ihany koa ny rotsakorana avy aminy.

Misy fomba maro ny andrefesana ny habetsaky ny orana. Isaky ny Faritra dia tsy mitovy ny toe-trandro, ny Atsinanan'ny Madagasikara, dia malaza be orana ka lazaina fa 3500 mm isan-taona ny orana latsaka any, raha 1500 mm ao Antananarivo, ary 400 mm fotsiny any atsimo.

Inona ity maridrefy mm ity?

Fitaovana tsotra no ampiasaina, tatazana ny orana latsaka amin'ny toerana 1m ny sakany, ary 1m ny halavany (Efajoro 1m² = 1m x 1m), ka refesina amin'ny règle millimètre (mm) ny ahavon'ny rano voataty ao anatin'izany zingabe izany. (Amin'izao andron'ny teknolojia izao moa dia efa misy fitaovana maro samihafa ampiasaina , fa endrika mora anazavana azy io Zingabe 1mx1m io).

Raha atao tsotsotra manko ny kajy dia refesina izany ny rano 1mm et ambonin'ny velarana 1m² (na 1m x 1m), dia mahita izany isika raha ampitoviana ny maridrefy 1mm = 0.001m, ka 0.001 m zaraina amin'ny 1m² na 0.001m/1m² = 0.001m3 = 1 litre.

Raha tsorina izany dia ny maridrefy tiana lazaina rehefa andrefy ny habetsahan'ny rotsakorana dia raha miteny izy hoe 1 mm, dia midika izay hoe 1Litre, ny 1m izany dia 1000 Litres na 1m3.

Ka ny rotsakorana any Atsinanana 3 500 mm/isan-taona izany dia raha atambatra eo ambonin'ny efajoro 1m² ny rano rehetra nandritra ny heritaona, dia manana haavo 3000mm na 3m ao ambonin'io efajoro io, izany hoe 3 000Litres isantaona isaky ny metatra toradroa, na 3 000l/an/m².

Alaivontsika antsaina amin'izay izany, raha manana velarantany 8 700 Ha i Antananarivo Renivohitra, izany hoe 87 Km² na 87 000 000 m², ka raha mirotsaka tsy mivoaka amin'io velarantany io ny rotsakorana andavan'andro mandritra ny 1 taona, izay 1500 litres/m² dia hanome rano 87 000 000 x 1500 = 130.5 milliards Litres, na 130 millions m3, na raha zaraina eo ambonin'Antananarivo dia samy difotra 1.5m isan-toerana, izany hoe olona iray mijoro, raha fohifohy dia difotra ny tendany.

Ny any Toamasina kosa dia difotra 3m, izany hoe ny trano iray mijoro dia difotra avokoa.

Zava-dehibe izany ny lakan-drano sy ny tatatra mamoaka ireny rano ireny mba tsy hiandronan'ny rano amin'ny toerana iray.

Ny rano dia isan'ny singa manana hery sy tsy kely lalana, avy any ambony izy no midina.

Ny ranomasina dia nosokajiana ho niveau zero ny haavony, izany hoe izy no ambany toerana indrindra, ka ireo rotsakorana rehetra avy any ambony izany dia miantefa amin'ny tany sy tendrombohitra, ka mivarina anaty renirano sy lohasaha sy dobo ary mihazo ny ranomasina.

Ao no midina any ambanin'ny tany, ka manjoy ny faritra iva any ambany any, ao kosa no mikoriana ety ambonin'ny tany na renirano, ao no mandeha ambony arabe na goudron, na tatatra, indrindra amin'ny toerana misy fonenana, milieu urbain.

Ka dia mila lanjalanjaina izany ny toerana asiana fonenana, satria ny rano izany tsy afaka hidina any ambanin'ny tany fa hikoriana ety ambony (imperméable ny goudron, sy ny béton misy fonenena, ka tsy afaka mamatsy ny rano fisotro any ambanin'ny tany, no mety hitondra tondra-drano raha tsy mivoaka.

Raha Antananarivo manokana no jerenena, dia misy ny faritry Tsiazompaniry.

Ahoana tsara izy io?

Aiza moa i Tsiazompaniry ary inona no mety hitranga raha vaky ny fefiloha ?

Aty Atsimo antsinan'Antananarivo, atsimon'ny Manjakandriana sy Mantasoa no misy an'i Tsiazompaniry, manangona ny rano maro avy aty antsinanana izay be orana tokoa.

Raha jerena ny maridrefy dia mielanelana 48 km miala an'Antananarivo i Tsiazompaniry raha atao refy toratady mivantana.

Antananarivo dia manana haavo 1260m miala amin'ny ranomasina, Tsiazompaniry izay koveta lehibe manangona ny rano avy any Antsinanana dia manana haavo 1465m, izany hoe avo 205m ambonin'Antananarivo.

Mazava ho azy izany fa raha vaky ny barazy Tsiazompaniry dia ho tondraka tanteraka Antananarivo.

Raha sanatria misy kosa anefa izany dia miakina amin'ny haavon'ny rano no mety ho fahavoazana satria hiparitaka amin'ny toerana maro ny rano ka mety ho betsaka na ho kely arakaraky ny rano hiparitaka.

Toa ny rano eraky ny zinga hiparitaka ao antrano, na rano eraky ny koveta lehibe, ka ny iray andena kely fotsiny, ny koveta kosa dia hanimba zavatra hafa.

Ny Barazy Tsiazompaniry amin'izao dia 13m ny haavon'ny rano, raha 14,58m vao mikoriana ambon'ny trop plein. Tsy mbola misy atahorana hatreto ny fotodrafitrasa.

Misy famokarana herin'aratra 5,2 MW moa ao amin'io barazy io, izay mamatsy an'Antananarivo.

Dia andeha hivoaka aiza anefa ireo rano betsaka ireo?

Ny ankamaroan'ny rano avy ao Antananarivo dia mivarina any Farahantsana avokoa.

Aiza no misy an'i Farahantsana, inona no asany?

I Farahantsana dia any avaratra andrefan'Antananarivo akaikin'i Mahitsy, route RN4 Mahajanga.
30 km miala an'Antananarivo toratady no misy azy.

1238m miala ny ranomasina ny haavony raha toa kosa 1260m ny haavon'Antananarivo.

Ny anarany moa aza efa napetraky ny Malagasy hoe Farany hantsana, izany hoe izy izany no hivarinareo rano rehetra avy any antsinanana, miangona ao Tsiazompaniry, ny reniranon'Ikopa, Sisaony ary Andromba izay mandalo eto Antananarivo avokoa.

i Farahantsana izany dia vavarano hivoahan'ireo rano maro be avy aty antsinanana mandalo an'Antananarivo.

Ny rano maloto rehetra, ny ranon'orana mandeha amin'ny lakan-drano sy bizo ary tatatra avy aty Antananarivo, izay misy mandalo amin'ny lakandranon'Andriantany dia mivarina any Farahantsana avokoa.

Mihaona 9km alohan'ny Farahantsana ny reninaron'ny Sisaony, Andromba ary Ikopa.

Tsiazompaniry kosa dia mielanelana 80 km toratady miala amin'ny Farahantsana.

1470m ny haavon'ny Tsiazompaniry raha toa ka 1238m miala amin'ny ranomasina ny haavon'ny Farahantsana. Avo 230m eo izany i Tsiazompaniry mihoatra amin'ny Farahantsana, rehefa avy nandalo teo Antananarivo izy.

Rehefa mitosaka izany ny rano avy aty antsinanana, miampy ny rano maloto sy ny ranon'orana avy eto Antananarivo, miampy an'ny reniranon'ny Sisaony, Andromba ary Ikopa, dia tsy maharaka mamoaka izany rano izany ny vavarano ao Farahantsana. ka mitohana sy mitombolona miverina mahatondra-drano ny aty ambony.

Ohatr'ireny embouteillage ao Andravoangy ireny, misy ny mibahana ao anaty rond-point, ka dia miteraka embouteillage hatraty amin'ny Rasalama, Behoririka, Analamahitsy.


Mila fanavaozana tanteraka izany ny fandrindrana ny fidiran'ny rano sy fivoahan'ny rano eto Antananarivo, manomboka any Tsiazompaniry ka hatrany Farahantsana, fa tsy vitan'ny resaka HIMO anala loto fotsiny eo amin'ny tatatry Andriantany.

Hitatsika eny ambanin'ny tetezana Ampitatafika, na Anosizato, na Ambohimanambola ireny misy règle be milentika anaty rano hijerena ny haavon'ny rano amin'ireny, anaraha-maso ny ranon'Ikopa, Sisaona ireny, satria io renirano lehibe ireo no mampiditra sy mitondra mivoaka ny rano avy any Antsinanana Tsiazompaniry, mivoaka mandeha any Farahantsana, izay mamelona an'ny Betsiboka, ka mivarina any amin'ny ranomasin'ny Mahajanga.

Izay no nahatonga ilay ohabolana hoe, aza manao toy ny ranon'Ikopa, na Betsiboka, ka tonga namana vao mavomavo.

Ranopotaka avy any atsinanana sy avy aty Antananarivo iny hitatsika afaka 3-5 andro iny vao tonga any Betsiboka ka manototra ny port n'ny Mahajanga, izay mahatonga an'i Mahajanga tsy manana port azo itoeran'ny sambo satria feno fasika ny bassin, ka iny mamono eny amin'ny bord sy Village iny.

Hitatsika amin'ny sary io ilay antsoina hoe Betsimitatatra, izay nalaza fambolem-bary tamin'ny andron'Andrianampoinimerina, satria dia tsy tapaka rano io faritra rehetra io, Tsiazompaniry aty atsinanana manangona ny rano rehetra, manapaka an'Antananarivo afovoany io, ary mivarina any andrefana ao Farahantsana.

Mirary soa.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.