Assanati Famo Gidraka: Nampifaly ireo tsaikin'i Mahajanga

  • lundi, 25 décembre 2017 18:05
  • Sary nomena

Ankizy maherin'ny 3000 zanaky ny mpikambana Assanati Famo Gidraka no nozaraina kilalao tao amin'ny Tranoben'ny kolontsaina ny sabotsy teo. Notsarovana manokana ireo ankizy amin'ny maha fetin'ny Noely ny andro.

Kilalao maro isan-karazany no nozaraina. Miezaka hatrany ny fikambanana manampy ireo mpikambana hamenoana fifaliana ireo tokantrano tsirairay isaky ny fety satria mahatsapa ny filoha mpanorina sady mpitarika fa mihasarotra ny fiainana ary maro amin'ireo tokantrano no tsy mahita na dia vola hividianana kilalao ho an-janany aza. Hafaliana sy haravoana no hita taratra nisoritra teny amin'ny endrik'ireo ankizy sy Ray aman-dreny teo am-pandraisana ireo fanomezana.

Tonga nanome voninahitra ny lanonana teny amin'ny Tranoben'ny kolontsaina Mangarivotra ny Prefen'i Mahajanga, Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana.

Anisan'ny fikambanana lohalaharana amin'ny fanaovana asa sosialy hanasoavana ny mpiara-belona ny fikambanana Assanati Famo Gidraka ary tsy manadino ireo mpikambana isaky ny fety. Tsy eto Mahajanga ihany fa efa faritra maro eto Madagasikara no ahitana ny fikambanana ankehitriny toy ny any Fianarantsoa, Antsiranana, Toamasina sy ny maro hafa. Tsy mialon-jafy ihany koa fa mandray an-tanana ireo rehetra mila fanampiana. Teny filamatra rahateo ny hoe "Werawera sy fanampiana".

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.