Accident RN4: Coup de gueule d'un proche d'une personne accidentée

  • jeudi, 21 décembre 2017 08:51

"Ny zandriko vavy tokana sy ny vadiny dia isan'ireo voyageurs tao anatin'ilay Taxi-brousse Cotisse broyée par le camion fou."

Naratra mafy ry zareo, ma soeur doit rester immobilisée, elle souffre de son bassin et de son fémur - Soutirée du bas de son siège, elle a encore tenu la main du chauffeur pour l'encourager, satria ilay chauffeur tsy nety novonjena raha tsy novonjena aloha ireo olona tafahitsoka teo aloha niaraka taminy dont un dadabe sy ireo zafikeliny.

Mbola nisy zazavavy naratra sy feno rà ny lohany nefa mbola niresaka.

Tsy nisy olona maty teo fa araky ny eritreretiny dia nandritry ny voyage nitondràna azy ireo no nahafaty ny sasany.

Ilay chauffeur tsy nisy coquille akory fa pick-up no nitondrana azy nitontontontona sy nivadibadika.

Betsaka ny accident ohatr'izany, dia tsy mba mety ve ny anatsarana ny fomba famonjena ara-drariny ireny olona tratry ny accident ireny?

Tsy misy fitaovana ara-dalàna rehefa vonjiaina.
Tsy misy na hélicoptère aza.

Tsy misy dikany ve ny aina eto amintsika ? Sa ny antsika vitan'ny hoe efa izay no anjarany, tsy misy ala-nenina akory ?

Jereo ireny miaramila am-perinasa ireny, na hélicoptère aza tsy nalefa tany satria tsisy vidiny ny aina?

Na izany assistance psychologique izany tsy misy akory fa avela ohatr'izao ny fianakavian'olona.

Nefa rehefa ny mpitondra dia mahita fitaovana sy alefa any ivelany mihitsy tsaboina.

Fianakavian'ny maratra

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.