Faritra Boeny: Mikatona manomboka rahampitso ny jono an-dranomamy

  • jeudi, 14 décembre 2017 18:25

Manomboka ny 15 desambra 2017 hatramin’ny 15 febroary 2018 no fotoana hikatonan’ny fanjonoana an-dranomamy ato anatin’ny faritra Boeny. Io ny fanambarana nataon’ny talem-paritry ny jono sy ny harena anaty rano, Rakotonirina Etienne ny maraina teo.

Namoaka didim-pitondrana ny faritra mandidy ny hanaterana ireo atontanisan’ ny tahirim-bokatra sisa ao amin’ireo trano fandraisam-bahiny lehibe sy ny mpanangom-bokatra eto an-toerana, ka ao anatin’ny folo andro no tsy maintsy hanaovan’izy ireo izany eny anivon’ny sampandraharaham-paritry ny jono sy ny harena anaty rano.

Mandritra izao fikatonan’ny fanjonoana izao, hisy ny fanaparitahana zana-trondro ka hanombohana izany rahampitso any katsepy izay hamafazana zana-trondro hatramin’ny 5000; any amin’ny Distrikan’I Mitsinjo ao amin’ny renirano Kinkony no hanohizana izany amin’ny zana-trondro 15000; manaraka azy ny 21 desambra ao Amboromalandy ary any Ambondromamy ny 28 desambra.

Hitomboan’ny zanatrondro sy hanatodizan’ny renitrondro moa no anton’ny hanakatonana ny jono.

Naparitaka manomboka androany ihany koa ireo afisy misy ny sarin’ireo trondro misy poizina amin’ny vanimpotoam-pahavaratra toy izao mba hampitandremana ireo mponina tsy ho tratra ny fanapoizinana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.