HJRA Anosy: Andro maneran-tany ho an’ny fahitana karakarain'ny AMADIA sy ny Lions

  • mercredi, 13 décembre 2017 09:26
  • Sary Njaka

Nankalazaina omaly talata 12 desambra tetsy amin’ny HJRA Anosy ny andro maneran-tany ho an’ny fahitana izay nokarakarain'ny AMADIA sy ny Lions Madagascar.

Izao vao natao ity fankalazana ity noho ny fisian’ny valan’aretina Pesta teo aloha.

Maro araka izany ny tranoeva izay mitily sy mitsabo maimaim-poana ireo olona voa izany areti-maso izany. Misy ihany koa ny fitilina tosi-dra sy ny diabeta izay maimaipoana avokoa.

Azo lazaina fa dia maro be ireo olona izay tonga nanantona sy nijery ny toe-batany amin’izy maimaim-poana ny fizahana sy fitsaboana azy, satria dia tsy araka ny sarany eny amin’ireo mpitsabo tsy miankina.

Marihina moa fa ity hetsika ity dia karakarain'i AMADIA sy ny Lions Madagascar, eo amban’ny fiahian’ny ministeran’ny fahasalamana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.