RN4 : Fiara mpitatitra voaroban'ny jiolahy ny entan'ny mpandeha

  • vendredi, 08 décembre 2017 18:36
  • Sary Sobika Mahajanga

Niverina nahazo vahana indray ny fiakaran'ny dahalo ambony tafon'ny fiara zotra nasionaly izay mampiasa ny lalam-pirenena fahaefatra. Fiara iray avy amin'ny kaoperativa KOFMAD no lasibatra halina ka very tamin'izany ny entan'ny mpandeha sasan-tsasany. Efa maraina teo, tonga teny amin'ny tobim-piantsonana nasionaly hampidina entan'ireo mpandeha vao nahatsikaritra ny rehetra fa tataka ny labasy ary nisy entana maromaro very.

Eo anelanelan'Ambondromamy sy Ambovondramanesy no heverin'ireo mpamily hanaovan'ireo olon-dratsy ny asa ratsiny satria amin'iny làlana iny no ahitana tetezana matetika ka voatery manena ny hafainganam-pandehany ny mpamily. Amin'izay no manararaotra miakatra sy midina ireo olon-dratsy ary mamaha na mandrovitra ny labasy sy manipy ny entana avy any ambony.

Matetika ny mpandeha matory amin'ny alina, ny mpamily mifantoka amin'ny familiana ka tsy misy mandre ny zava-mitranga.

Manao antso avo amin'ireo mpitandro ny filaminana izay miandraikitra ny filaminana amin'ny lalam-pirenena faha efatra ireo mpandeha sy mpamily mba hanara-maso ny zava-misy satria efa matetika miverimberina ny tahaka izao tato anatin'ny volana vitsivitsy izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.