Matanga-Vangaindrano: Mitaraina noho ny haratsian’ny lalana ny mponina

  • lundi, 27 novembre 2017 14:56
  • Sary Sobika Vangaindrano

Vita ny tetezana ao Etsiriky hiditra ny tananan'i Matanga aty amin'ny Distrikan'i Vangaindrano ka ny Faritra Atsimo Atsinanana no niantoka ny fanamboarana, izay mitetim-bidy 22.000.000 Ariary.

Niteraka fahasahiranana ho an'ny olona tao Matanga ny fahasimban'izy ity satria tsy maintsy natao “transbordement” ny entana ka lasa niakatra ny vidim-piainana tamin'ny fiandohan'ny taom-panangonana jorofo ity.

Fa mbola miteraka fahasahiranana ny mampiasa ny lalana Matanga - Vangaindrano ny faharatsian'ny ampahan-dalana manomboka amin'ny fivilian-dalana miala ny RN12A mirefy 10km, izay ratsy dia ratsy amin'izao vanim-potoan'ny orana izao.

Manao antso ny Ben'ny Tanànan'i Matanga mba hanamboarana io lalana io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.