SFL sy ny SEFALA: Mikarakara fifaninana mitory teny

  • mardi, 14 novembre 2017 21:11
  • Sary Njaka

Ny Sampana Fivondronana Laika na ny SFL sy ny SEFALA Sekoly Fanomanana Laika dia mikarakara fifaninana mitory teny amin’ny endrika sy fomba vaovao mba hiantefa tsara any amin’ireo olona ampitana azy ny hafatry ny Vaovao Mahafaly.

Trandrahana amin’izany ny saina tia karokaroka ananan’ireo mpianatra sy mpiofana eo amin’ny SEFALA.

Misy hatrany moa ny tanjona amin’izany dia ny fikarohana ireo fomba samihafa ahazoana mapita ny Tenin’Andriamanitra, ny fampiasana ireo talenta ampitoboana ny fahafantaran’ny olona ny FJKM amin’ny ankapobeny sy ny SFL ary ny fandraisana anjara amin’ny famadihana ny tetik’asa Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara ho asa mba tsy hijanona ho teny filamatra fotsiny.

Anisan’ny mpikarakara izany moa ny Sampana Fivondronana Laika, ny Vondrom-paritany Laika, Vondrona Fototra Laika, Sekoly Fanomanana Laika, Fikarohana sy Fandalinam-pinoana, Radio Fahazavana.

Marihina moa fa amin’ny 21 desambra izao ny famaranana ity lalao ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa