Mahajanga: Mandà tsy hanatrika CODIS ireo mpianatra nahazo fiantsoana

  • dimanche, 05 novembre 2017 16:42
  • Sary Sobika Mahajanga

"Tsy ho avy hanatrika ny Conseil de discipline (CODIS) izahay". Izay no fanambarana nataon'ny solontenan'ireo mpianatra nahazo fiantsoana avy amin'ny fiadidian'ny oniversiten'i Mahajanga.

Tafakatra 71 hatreto ireo mpianatra nahazo ny taratasy fiantsoana hiatrika ny Conseil de discipline mahakasika ny raharaha fitokonana sy fanimbana fananan'ny oniversite. Tsy ankasitrahan'ireo mpianatra voakasika anefa ity fanapahan-kevitry ny ministera sy ny oniversite ity.

Antony maromaro raha ny fanazavan'ireto mpianatra ireto no mahatonga azy ireo handà izany. Misy ny fanavakavahana tamin'ny fanivanana ireo mpianatra handalo anatrehan'ny Filankevitra. Misy mpianatra vehivavy voatonona anaty lisitra ihany koa kanefa tsy teto Mahajanga nandritra ny korontana.

"Tsy vahaolana ny firosoana amin'ny CODIS fa mety vao maika hampikorontana", hoy ireto mpianatra fa mangataka fifampiresahana indray izy ireo.

Notsindrian'ireo mpianatra ny fangatahana mba hamoahana ny namany roalahy izay naiditra am-ponja noho ny resaka fandoroana trano (bloc).

Taorian'ny fanesorana azy ireo tamin'ny trano teny amin'ny campus. Maro amin'izy ireo no tsy nanana haleha ka mivondrona amina toerana iray eny Ambohimandamina. Toy ny hita amin'ny sary, an-jatony ireo mpianatra no matory sy miara-misakafo eo amin'io fefy natsangana sy nasiana tafo io.

Misy ilay antsoina hoe : Répondant, olona natao mandray ireo mpianatra monina eto Mahajanga raha sendra misy ny olana. Ny zava-misy anefa , mpianatra am-polony no misoratra amina olona hivantanana iray. Tsy afa-manana fahafahana handray olona marobe ilay répondant hikambanam-be.

Nanambara ny tompon'andraikitry ny oniversite fa tsy ho ela dia hiverina ny fampianarana. Tsy avy hatrany anefa dia miverina amin'ny tranony, manaraka izay, ireo mpianatra fa miandry ny fanaboarana ny simba sy ny fandaminana rehetra.

 

Commentaires (102)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.