Bekopaka: Fiara 40 isan’andro no tonga mitondra mpizahatany

  • samedi, 30 septembre 2017 06:03
  • Sary nindramina
Mibosesika ny mpizahatany tonga aty Bekopaka, mitsidika ny valanjavaboary misy ny tsingy Bemaraha. Eo anelanelan’ny volana aprily sy novambra no tena fahatongavan’izy ireo, ary tafiditra ao anatiny tsara izany amin’izao. Fiara manodidina ny 40 isan’andro no tonga aty an-toerana, tsy maharaka ireo mpitaridia miisa 49 amperin’asa amin’izao.
 
Saika ireo miteny anglisy toy ny Alemana, Italiana, Sinoa, Japoney, Amerikanina,...ny ankamaroan’ny mpizahatany tonga aty an-toerana, mijanona roa ka hatramin’ny efatra andro any izy ireo mitety ny valanjavaboary.
 
Mampidi-bola hatramin’ny 135.000 Ariary isan’andro ny mpitaridia iray amin’izao. “Tsara ny tsena”, hoy i Tahina, isan’ireo mpitaridia matihanina aty an-toerana. 200km miala an’i Morondava i Bekopaka, mandalo an’i Belo ny lalana. Tongan’ny fiara rehetra rehefa maintany toy izao. 
 
 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.