Hôtel Colbert: Atrikasa hiarovana ny ANGONOKA

  • vendredi, 22 septembre 2017 07:02
  • Sary Njaka

Nisy ny atrik’asa natao tao amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny alakamisy 21 septambra 2017, mahakasika manokana ny fiarovana ny ANGONOKA izay efa mihalany tamingana ankehitriny.

Ny ANGONOKA moa dia sokatra farany izay vitsy indrindra maneran-tany, any amin’ny faritr’i Soalala any Boeny any, no tena ahitana azy.

Misy anefa araka izany ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, ary ny governemanta Britanika no mamatsy vola ho an’izay fiaraha-miasa izay, ka iarahana amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny rano, ny Alliance Voary Gasy ary ny Durel izay anisan’ny mpikarakara ity atrik’asa ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.