HJRA: Salama tsara i Mitia sy Fitia

  • lundi, 18 septembre 2017 22:15
  • Sary Njaka

Tamin’ny 13 septambra lasa teo no vita soa aman-tsara ny fandidiana an’i NAMBININA HARILALA Fitia, sy NAMBININA HARILALA Mitia, zazavavy kely izay nitambatra teo amin’ny kibo hatrany am-bohoka izay tadim-poitra no niraisany.

Araka izany dia nanao fanambarana ny fahobiazan’ny fandidiana natao ny teo anivon’ireo mpandidy sy mpitsabo teny amin’ny HJRA, anisan’ny nitarika izany ny Profesora ANDRIAMANARIVO Mamy Lalatiana, Minisitry ny fahasalamana.

Nambara antsipirihany avokoa ireo dingana rehetra noentina teo ampandidiana an’I Mitia sy Fitia.

Ny alarobia 13 septambra tamin’ny 11h30 atoandro no vita tanteraka ny fandidiana, ary efa salama tsara izy roa vavy kely ankehitriny, izay mbola tsy azo tsidihina mba ho fisorohana ny loto mety hiditra.

 

Commentaires (67)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.