Fianarantsoa: Mbola maharitra roa herinandro ny tahirin-tsolika

  • lundi, 18 septembre 2017 14:15
  • Sary nomena

Mampitebiteby ireo mpampiasa solika aty amin'ny ilany atsimon'ny Nosy ny fahatapahan'ny tetezana ao Vohiposa.

Raha ny zava-misy notaterin'ny mpitandro filaminana aty an-toerana dia tsy mbola misokatra ny lalana amin'io toerana io ary tsy afaka miampita ny fivilianana ireo fiarabe toy ny mpitatitra solika.

Ampy hamatsiana solika hatrany Sakaraha mandritra ny roa herinandro ny tahiry ao amin'ny toby Ambalakely Distrikan'i Lalangina hoy ny tompon'andraikitra ifotony.

Ho an'ny famatsiana an'Ambositra kosa dia anjaran'ny rantsana ao Antsirabe no mamatsy ny ao an-toerana mandrapahavitan'ny lalana raha Fianarantsoa no miandraikitra izany amin'ny ankapobeny.

 

Commentaires (52)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.