24 ora tao amin’ny Morgue: "Nitsangana tamin’ny maty i Maître Karabo"

  • dimanche, 17 septembre 2017 22:29
  • Sary Sobika Ambatondrazaka

Naratra mafy nandritra ny fikasana hametraka Ben’ny Tanàna tany amin’ny Kaominina Ambahoabe, Distrikan’i Soanierana Ivongo i Maître Karabo, ny 10 jolay 2017. Nisy ny sakoroka nandritra izany, satria nanohitra ny fanatanterahana izany ny mpomba an’i Mananara Fidison na Rasomotra izay Ben’ny tanàna niasa taorian’ny fifidianana tamin’ny 31 jolay 2015. Sady voafira antsy no voatora-bato i Maitre Karabo nandritra izany.

Mpiambina manokana ny Prefen’i Fenoarivo Atsinanana izy. Noho ny fahaverezan-dra be loatra vokatry ny nahazo azy anefa dia tsy tàna ny ainy ka nalefan’ny mpitsabo tany amin’ny tranompatin’ny hopitalin’i Soanierana Ivongo araka ny fitantarany raha nitafa tamin’ny mpanao gazety sendra azy tamin’ny fahatongavany teto Ambatondrazaka, tanàna fiaviany.

Dokotera vahiny sendra nandalo, no niala nenina namelona azy niaraka tamin’ny mpitsabo malagasy tao Fenoarivo Atsinanana. Niverina niaina tsikelikely ilay noheverina fa maty izay efa tao amin’ny Morgue rahateo.

Misaotra ireo rehetra nifarimbona, sy nanolo-tanana nentina nitsaboana azy i Maître Karabo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.