Mahajanga: Nigadona teto tamin'ny 06 ora sy sasany hariva teo ny Lakroa JMJ IX

  • mercredi, 13 septembre 2017 22:26
  • Sary Sobika Mahajanga

Nifanitsa-kitro ireo mpino Kristiana Katolika tonga nandray izany. Ankoatra ireo efa nitsena ny fahatongavany tany amin'ny paroasy Belobaka, aman'arivorivony ireo mpino efa niandry teny anoloan’ny Lapan'ny Tanàna sy ny Fiangonana Katedraly Fo Madion'i Maria Mahajanga Be.

Nandeha an-tongotra avy any Belobaka, izay toerana sady nanombohana ny lalan'ny hazo fijaliana ny delegasiona notarihin'ny Evekan'i Mahajanga, Monseigneur Rakotondrajao Roger Victor Solo. Teo ivelan'ny Fiangonana Katedraly Fo Madion'i Maria no nanatanterahana ny fifanolorana ny Lakroa Masina JMJ sy ny sarin'i Masina Maria teo amin'ny Diosezy roa tonta, Fianarantsoa sy Mahajanga.

Nitohy tamin'ny Lamesa fanandratana ny Hazo fijaliana izany ary hisy ny vavaka fiaretan-tory mandra-maraina.

Mirefy 3m80 ny halavan'ny Lakroa masina ary 2 m ny sakany.
Hafaliana no hita soritra teny amin'ireo mpino Kristiana Katolika, indrindra ireo tanora, satria tanteraka ny hafatra napetraky ny Papa Ray Masina, dia ny hitondrana sy hanaparitahana ny Hazo fijaliana izay mariky ny famonjena.

Mandritra ny roa taona no hijanonan'ny Lakroa eto Mahajanga. Porofo izao fa efa vonona handray ny fihaonamben'ny Tanora Katolika na ny JMJ ny Diosezin'i Mahajanga amin'ny taona 2018.

Vovonan'ny tanora avy amin'ny Diosezy katolika miisa 21 sy fikambanana masina 12 no tonga aty Mahajanga manatitra ny Lakroa masina JMJ IX.

Anisan'ny nanotrona ny hetsika aty Mahajanga ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Randriamosarisoa Jean Anicet sy ireo manampahefana ary olo-manankaja isan-tokony.

 

Commentaires (10)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa