Fidiran'ny mpianatra

  • mardi, 12 septembre 2017 21:45
  • Sary Njaka

Efa nisy tamin’ireo mpianatra no niditra nanjohy ny fianarany androany. Mbola maro anefa ireo izay ao anatin’ny fialan-tsasatra tanteraka.

Araka ny filazan’ireo Raiamandreny izay sendra anay dia mahatsiaro tena sahirana tokoa manoloana ny fampidirana mpianatra eo amin’ny ara-bola satria dia midangana ireo vidim-pitaovana ho entin’ireo ankizy mianatra, araka izany dia voatery misambo-bola izy ireo na koa mindram-bola amin’ireny fampindramam-bola ireny noho izay tsy fahampiana izay.

Ny any amin’ny fianarana indray dia tsy maintsy voaloa ara-dalana ireo saram-pidirana na ny Inscription na ny Réinscription vao afaka miditra, ny ankabeazan’ireo Raiamandreny anefa dia mbola tsy nahefa izany noho ny tsy fahampiana ka noho izany dia tsy maintsy miverina mody ireo ankizy izay malahelo hita soritra eny amin’ny tavan’izy ireo.

Na izany aza dia tsy maintsy adidy sahanin’ireo Ray amandreny izany na dia eo aza ny olana sedrainy manoloana izany rehetra izany. Malahelo anefa izy ireo fa ny fanjakana dia tsy misy ezaka anatsarana ny fianarana ara-panjakana fa lasa fitadiavam-bolan'ireo tsy miankina ny fianarana satria dia 60 000 ariary (300 000fmg) isam-bolana izao ny saram-pianarana ho an'ny ankizy iray, nefa ny karama farany ambany dia 120 000 ariary (600 000 fmg).

 

Commentaires (45)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa