Fikambanana Assanati Famo Gidraka: Tsy nanadino ireo mpiara-miasa aminy

  • lundi, 11 septembre 2017 08:56
  • Sary Sobika Mahajanga

Nahatsiaro manokana ireo mpiara-miasa aminy rehetra eto Mahajanga ny filohamboninahitra sady mpanorina ny fikambanana Assanati Famo Gidraka, ho fankasitrahana azy ireo tamin'ny fiaraha-miasa nisy hatramin'izay, ka nampahomby ny hetsika ara-tsosialy rehetra nanampiana ny zanak'i Mahajanga.

Samy notolorana fanomezana avokoa araka izany ireo lehiben'ny sampan-draharaha voakasika tamin'ny alalan'ireo mpitarika ny fikambanana eto an-toerana. Nahazo ny anjarany ny Prefen'i Mahajanga, Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana, ny Lehiben'ny faritra Boeny, Saïd Ahamad Jaffar, ny kaomisera Ramananandro Gabriel, lehiben'ny Commissariat Central, ny filohan'ny TVHFB, Abdallah Rosalie, ny filohan'ny tambazotra miaro ny zon'ny mpanjifa eto Mahajanga, sy ny maro hafa.

Fiaraha-misalahin'ireo sampan-draharaha maro samihafa, indrindra ireo manakaiky ny vahoaka no anisan'ny mampahomby ny asa ataon'ny fikambanana ary mitondra fampandrosoana, hoy ny filohan'ny fikambanana Assanati Famo Gidraka.

Hetsika nahitana azy ireo farany teo ny fanolorana omby araka ny fombandrazana nandritra ny Fitampoha teny amin'ny Doany Miarinarivo efa-dahy manankasina. Teo ireo hetsika fanampiana ny fianakaviana sahirana eto Mahajanga, nahafantarana ny fikambanana hatramin'izay ary ny asa fanadiovana fanaon'ireo mpikambana.

Samy nankasitraka tamin'ny fanomezana azony avokoa ireo olobe nahazo izany ary samy nanamafy fa mbola vonona hanohy ny fiaraha-miasa amin'ny Assanati Famo Gidraka. Tanjona iray no iraisana dia ny fanampiana ireo mpiara-belona araka izay azo atao.

 

Commentaires (52)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa