Vangaindrano: Lelavola 765.000.000 Ariary nentina 4X4 hatao inona ?

  • mercredi, 06 septembre 2017 21:57

Naheno loharanom-baovao ny Zandary teto Vangaindrano ny alahady 03 septambra teo fa nisy olona nitondra volabe tsy mazava amin'ny lalam-pirenena faha-12A avy any Tolagnaro iny.

Nidina avy hatrany ny Zandary ka sarona ilay fiara tsy mataho-dalana miloko mavo ary nahitana vola manodidina ny 765.000.000 Ariary tsy misy taratasy.

Lazain'ireo olona tao anaty fiara fa volan'ny orinasa Telma atao M'Vola rehefa natao famotorana. Avy eo nivadika fa vola homena an'ireo mpamendraka ody moka ka ho zaraina amin'olona miisa 5.000 ao Vangaindrano, Farafangana ary Vondrozo ka nalaina tany amin'ny banky foibe tany Tolagnaro.

Nangatahin'ny Zandary ny antotan-taratasy momba izany fakana vola izany fa tsy nisy. Tonga dia niantso tomponandraikitra ambony tao amin'ny Zandarimariam-pirenena ilay olona ka nahazo baiko ireo Zandary tao Vangaindrano hanao « escorte » an'io vola io tany Mananjary ka Zandary ampolony no nanatitra izany.

Sady tsy nozaraina tamin'ireo olona 5.000 tao Farafangana sy Vangaindrano ary Vondrozo ilay vola fa dia nanjavona. Famotsiam-bola ? Mampametra-panontaniana ny maro ny hahafoana ny kolikoly.

Maro ny tranga very an-javony tsy ahenoana tohiny tahaka izao eto Vangaindrano toy ilay vato “cristal” iray taonina sy sasany nahondrana an-tsokosoko sy ireo lavanila, rongony 40 lasaka tratra dia avy eo tsy hita popoka.

Commentaires (11)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa