IARA- Vangaindrano: Fahafatesana mampiahiahy

  • mercredi, 06 septembre 2017 21:17
  • Sary Sobika Vangaindrano

Mahalasa saina ny maro ny trangan-javatra ao amin'ny Kaominina ambanivohitr'i Iara ato amin'ny Distrikan'i Vangaindrano tao anatin'ny roa taona izay satria dia matetika misy ny fahafatesana eo amin'ireo tomponandraikitra ara-panjakana ao an-toerana.

Telo volana taorian'ny nahavoafidy azy, ny Ben'ny tanana lanim-bahoaka tao dia nindaosin'ny fahafatesana. Afaka fotoana elaela taty dia nisy PDS voatendry ka tsy ampy telo volana ny nahavoatendry azy dia nodimandry ihany koa.

Izao indray ny sabotsy hifoha alahady 03 septambra teo dia ny lehiben'ny Boriboritany ao amin'io Kaominina io indray no nindaosin'ny fahafatesana, nefa vao efa-bolana no nahatongavan'io niasa tao.

Asa na fifandrifin-javatra na loza efa ho avy fa dia tsy mazoto ireo solontenam-panjakana hapetraka any manoloana ireo tranga ireo.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaires (54)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa