Fitsarana miaramila: Tsy nisy nandritra ny 8 taona

  • lundi, 04 septembre 2017 18:34
  • Sary Sobika Mahajanga

Tamin'ity taona ity indray vao nisy ny fitsarana miaramila teto Madagasikara. Nanomboka tamin'ny korontana ny taona 2009 no tsy nisy intsony ny fitsarana miaramila noho ny tsy fisian'ny tetibola natokana ho an'izany izay natontona tany amin'ny fampandriana fahalemana avokoa raha ny fanazavana.

Anjaran'ny Distrikan'i Mahajanga I nanomboka androany 04 septambra 2017 ary aharitra 3 andro, mifarana ny alarobia izao.

Singa iray tsy maintsy ilaina amin'ny fikarakarana atontan-taratasy ny nanaovana fitsarana miaramila ka io no antony nanosika ireo tanora hanao izany raha nanontaniana.

Maherin'ny 200 ireo tonga teny amin'ny CEG Charles Renel ny maraina teo, izay andro nanombohana ny teto Mahajanga.

Hovitaina amin'ity vola septambra ity avokoa ny aty amin'ny faritanin'i Mahajanga.

Tsy mbola mavitrika ireo tanora zazalahy hitsara miaramila raha ny aty an-toerana.

 

Commentaires (4)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.