Antsirabe: «Vitrine du Vakinankaratra» andiany faha-20

  • mardi, 29 août 2017 20:46
  • Sary Sobika Antsirabe

Hotanterahina eo anoloan’ny Garan’Antsirabe ny 31 aogositra ka hatramin’ny 02 septembra 2017 ny «Vitrine du Vakinankaratra» andiany faha-20.

Vonona tanteraka ny FIOVA na ny «Fivondronan’ny Orinasan’i Vakinankaratra» mpikarakara ity hetsika ara-toekarena ity. Homen-danja manokana ny sehatra tsy miankina, hisy koa ny fandraisan’anjaran’ireo faritra miisa 5 avy any ivelany hampiranty ny zava-misy any aminy eto Vakinankaratra sy ny tontolo ambanivohitra satria any no tena miainga ny fampandrosoana ka hisy ny fanentanana azy ireo hamokatra hitodika amin’ny tsena sy ny fanodinana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny FIOVA, Atoa Ramarijaona Andrianjafy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.