Sambava: Nofirainy antsy ilay ramatoa rehefa nanohitra ny fanolanana

  • mardi, 29 août 2017 08:01
  • Sary Sobika Sambava

Ny marainan'ny alatsinainy 28 aogositra 2017 no nitrangan'ity herisetra feno habibiana ity tao Ambatamandry, Kaominina Tanambao Daoud.

Raha iny handeha hamonjy ny tanimboliny iny ity ramatoa ity dia nifanena tamin'ny tanora lahy iray ka ity farany ity dia nitady hanolana azy fa nanohitra ary tsy nanaiky izany ilay Ramatoa.

Nentin-katezerana ilay tovolahy rehefa tsy tanteraka ny sitrapony ka dia notsatohany sy norasainy tamin'ny antsy. Nahitana dian'antsy 10 mahery ny vatan'ilay vehivavy, tapaka ny tanany. Soa fa tsy afaka ny ainy.

Nentina novonjena haingana tao amin'ny CSB1 Mahatsara ity naratra ity, avy eo dia nakarina aty amin'ny CHRR Besopaka Sambava noho ny hamafin'ny fahavoazana.

Miady mafy amin'ny fahafatesana ilay ramatoa, nandositra kosa ilay nahavanon-doza ka mbola karohina hatramin'izao.

 

Commentaires (2)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.