Marovoay: Jiolahy 4 raindahiny voasambotra

  • mercredi, 23 août 2017 23:29
  • Sary Sobika Mahajanga

Efa-dahy kalaza amin'ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika sy halatr'omby no saron'ny Zandary avy ao amin'ny tobim-paritra Marovoay ny 12 aogositra lasa teo. Efa tena za-draharaha tanteraka ireto andiany ireto saingy ravan'ny Zandary ihany.

Tompon'antoka tamin'ny fanafihana tao amin'ny Fokontany Bevovoka, kaominina Marovoay niseho ny 07 aogositra lasa teo, izay nahaverezana vola an-tapitrisany, sy ny halatr'omby tao Amparihilava-Marovoay ny 12 aogositra teo ka nahaverezana omby 40 isa.

Efa nisy ny fifampitifirana teo amin'izy ireo sy ny Zandary nandritra io fanafihana voalohany io saingy tsy nisy voasambotra ireo jiolahy ireo. Tsy afa-niala intsony koa tamin'ny fanindroany noho ny velam-pandriky ny Zandary efa niandry azy ireo. Mbola karohina kosa ny roalahy izay nilefa.

Voaporofo moa fa izy ireo avokoa no tompon'antoka tamin'ireo fanafihana ireo satria ny fitaovana nampiasaina mitovy ary mbola ireo akanjo nanaovana tany Bevovoka ihany no nanaovana tany Amparihilava.

Tratra teny amin'izy ireo ny basy vita Gasy sy ny bala niaraka tamin'ireo antsy maranitra fampiasany.

Mbola ady goavana ihany koa ny fanenjehana ireo mpanamboatra sy mpamatsy basy vita Gasy fampiasan'ireo dahalo.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaires (27)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.