Antsirabe: Hampiantrano ny fihaonamben'ny vadin'ny Polisy

  • mercredi, 23 août 2017 22:44
  • Sary Sobika Antsirabe

Ho tontosaina aty Antsirabe ny zaikaben'ny FIVAPOVA na ny fihaonambe voalohan'ny Fikambanan'ny Vadin'ny Polisy sy ny Polisy Vavy eto Madagasikara.

Teo aloha dia nisy isam-paritra ity fikambanana ity fa amin'izao fotoana dia efa navondrona ho iray, ary efa manana sata iraisana ka izao hanao ny fihaonambe voalohany eto Antsirabe izao.

Mpizaika polisy vavy vadin'ny polisy manodidina ny 1520 eo ho eo no efa nisoratra anarana hiatrika ity hetsika ity eto Antsirabe, izay hosantarina amin'ny diabe sy lanonana maro samihafa arahina valandresaka sy fampiratiana.

Eo ambany fiahian'ny vadin'ny filoham-pirenena moa ny hetsika hanomboka ny alakamisy 24 Aogositra izao io.

 

Commentaires (79)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.