Fianarantsoa: Manarina ny olana an-taonany maro ny mpitantana vaovao ny OSIEF

  • mercredi, 23 août 2017 20:01

Miverina miandalana ny fampandehanan-draharaha eo anivon'ny OSIEF (Organisation Sanitaire Inter-Entreprises de Fianarantsoa) eto Fianarantsoa rehefa nandalo olana anaty nandritra ny taona maro ka novahana nanomboka ny 2015.

Naka fepetra manonkana amin'ireo orinasa tsy mandoa latsakemboka ny mpitantana vaovao ka nampiato ny fahafahan'ireo mpiasa misitraka ny fitsaboana omen'ity rafitra fiahiana ara-tsosialy ity. Roa amin'ireo orinasa matanjaka eto an-toerana no iharan'izany noho izy ireo tsy nanaiky ny fandaminana.

Nanokatra ny sampana fitarafana "échographie" ny eto an-toerana ankoatr'izany. Ary dia naverina ihany koa ny fitaovana fitsaboana nify sy ny ativava.

Mbola maro ireo tarazo nolovaina tamin'ny tsy fahaiza-mitantana teo aloha fa manomboka vahana tsikelikely izany araky ny fomba fiasa vaovao.

Ankehitriny dia an-jatony ireo mpiasa miandry ny fanefan'ny mpampiasa azy ireo ny trosan'ny orinasa vao afaka misitraka indray ireo fitsaboana omen'ny OSIEF araky ny iraka sahaniny eo amin'ny lafiny sosialy sy fahasalamana.

 

Commentaires (60)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.