STAR Tour "La destination familiale" : Tanteraka ny fanambin'ny Kaominina renivohitr'i Mahajanga

  • lundi, 21 août 2017 22:25
  • Sary Sobika Mahajanga

Voatana ny fanamby napetraka tamin'ny fiaraha-miasan'ny orinasa Star sy ny Kaominina renivohitra Mahajanga nandritra ny hetsika Star Tour, "La destination familiale". Anisan'ny fifanaraham-piaraha-miasa napetraka ny nanovana tanteraka ny hetsika THB Tour ho Star Tour.

Nilanona tanteraka ny mponina sy ireo mpiala sasatra taty an-toerana nandritra ny telo andro tsy ankiato nanaovana ny hetsika. Ankoatra ny fampisehoana goavana niarahana tamin'ireo mpanakanto malagasy kalaza, nisy ireo hetsika fanentanana sy lalao isan-karazany teny amin'ny Bord de la mer sy teny amin'ny tora-pasiky ny Grand Pavois.

Niavaka ny diabe sy ny zumba goavana teny amin'ny Bord de la mer ny sabotsy tolakandro teo. Tena nahasarika ny maro ny Star Tour andiany voalohany, voahaja ny fahadiovana satria isa-maraina misy hatrany ny fanadiovana sy fanasana ny Bord de la mer niarahana tamin'ny sampana mpamonjy voina an'ny Kaominina.

Nanamafy ny Ben'ny tananan' i Mahajanga, Andriantomanga Mokhtar Salim fa tratra ny tanjona dia ny fanabeazana tao anatin'ny fampialana voly ny mponina sy fanomezana fahafaham-po ireo mpitsidika an'i Mahajanga.

 

Commentaires (56)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.