SAVA: Voarara ny varotra solika anelanelan-trano

  • jeudi, 17 août 2017 21:31
  • Sary Sobika Sambava

Namoaka fanambarana ny OMH na Office Malgache des Hydrocarbures mandrara ny fivarotana solika ivelan'ny toby mpaninjara ara-dalana sy toerana nahazo alalana avy amin'ny OMH.

Ny zava-nisy mantsy dia feno fivarotana solika isaky ny elanelan-trano ary mampiakatra hatrany amin'ny 9000Ar ny iray litatra amin'ny lasantsy, ary ny fotoana ahatongavan'ny solika eny amin'ireo toby mpaninjara no ela dia ritra lasan'ny mpanao varomaizina amin'ny jerrican, ka mampikorontana ny fifamoivoizana ary miteraka fanararaotana.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaires (98)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.