Mahajanga: Mampiantrano ny kongresin'ny vehivavy Advantista

  • jeudi, 10 août 2017 13:51
  • Sary Sobika Mahajanga

 

Vehivavy maherin'ny 8500 no tonga eto Mahajanga mamonjy ny kongresin'ny vehivavy MIFEM avy amin'ny Fiangonana Advantista manerana ny ranomasim-be indiana.

Fanompoam-pivavahana lehibe no nanokafana izany tamin'ny fomba ofisialy ny 9 aogositra 2017 teny amin'ny Complexe Sportif Ampisikina.

Nialohan'izay nisy ny diabe niainga teny amin'ny Fiangonana Advantista eny amin'ny bois sacré nihazo ny Complexe Sportif nandraisan'ireo vehivavy avy amin'ny faritra samihafa anjara sady nanehoan'izy ireo ny kolontsain'ny faritra nihaviany avy.

"Fenoy ny kapoakako Tompo ô!" (sal 23.5b) io no lohahevitry ny kongresy izay tsy hifarana raha tsy ny 13 aogositra.

Nahatonga solontena ihany koa ny vehivavy avy any amin'ireo Nosy rahavavy toa an'i Maorisy sy Seychelles.

Fampiofanana sy hetsika ara-kolontsaina no hibahan-toerana mandritra ny dimy andron'ny kongresy.

 

Commentaires (5)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.