Fianarantsoa: Toeram-pizahantany niova endrika

  • jeudi, 10 août 2017 08:45
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Raha atao ny kajikajy dia mijanona roa andro eto Fianarantsoa ny vahiny mpizahatany raha ela indrindra. Toerana roa no matetika lalovan'izy ireo ka isan'izany ny Tanàna Ambony.

Manana sata avo eo amin'ny sokajy atolotra eo amin'ny fizahantany ity toerana ity, ary efa an-dalana ny hanaovana azy ho Vako-pirenena, saingy simba ilay lalana rarivato izay ivezivezena an-jato taonany maro.

Nanatanteraka asa fampidirana-drano hatrao Kianjasoa ny orinasa Jirama volana vitsivitsy izay, saingy tsy tafaverina amin'ny laoniny io rarivato nalaza hoe : mateza io.

Ankehitriny dia maro ireo mpivahiny no manontany ny momba io lalana io. Ny mponina kosa dia tsy mitsahatra ny manao fanairana amin'ny haino amanjery fa mbola tsy tody amin'ny fanarenana io fahasimbana io ny fitakiana.

Ny fantatra hatreto dia nanaovana "Appel d'offre" ny asa famerenana azy amin'ny endriny teo aloha. Miandry ny vokatr'izany ny rehetra hatramin'izao !

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaire (1)
  • Tadalafil No Prescription [url=http://cheapvia25mg.com]viagra[/url] Buy Levitra Cialis 20mg Non Generic Cialis Modo De Uso
    jeudi, 30 novembre 2017 09:41
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.