Matsiatra Ambony : 40,83% ny taham-pahafahana BEPC

  • lundi, 17 juillet 2017 18:11

Ny fari-piadidiam-pampianarana Ambohimahasoa no nazahoana vokatra ambany indrindra amin'ireo mpiadina 6319 nahazo io diplaoma io eto amin'ny faritra. 24,53% izany raha 54,72 ao Vohibato.

Nazahoana vokatra 42,54% tao Ambalavao, 37,27% tao Ikalamavony, 36,88% tao Isandra ary 40,83% tao Lalangina. Ho an'ny fari-piadidiam-pampianarana Fianarantsoa dia 40,20%.

Mametra-panontaniana ny mpandinika ny raharaham-pirenena manoloana izany vokatra izany sy ny tetibola antotona ao amin'ny fampianarana.

Miandry ny isan'ireo fifindrana kilasy amin'ny lycée misy eto an-toerana ihany koa ny tompon'andraikitra vao afaka manapaka momba ny fahafahana miditra kilasy faharoa.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa