Fianarantsoa: Fahombiazana ny Salon de la Recherche andiany voalohany

  • samedi, 08 juillet 2017 20:37
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Nifanantona ny mpandraharaha sy ny mpikaroka ary ny mpampiofana nandritra ity hetsika ity. Tanjona ny fanehoana ny fampiharana ny vokam-pikarohana eo amin'ny sehatry ny fananan'asa.

Miisa 38 ireo ivontoerana nandray anjara tamin'ny fampirantiana ny 5 sy 6 jolay lasa teo. Famelabelarana 4 no tontosa. Nisongadina tao anatin'ireo ivontoeram-pikarohana ny Laboratoire de Biologie Moléculaire.

Ny Oniversiten'i Fianarantsoa sy ireo mpiaramiombonantoka toa ny GEM sy ny FIVMPAMA no mikarakara ny hetsika.

Hisy ny fanaovantsonia drafi-piarahamiasa maharitra 5 taona ho fanamafisana ny tanjona itambarana arak'izany.

Natao teo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny OIT izany hetsika izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa