Vakinankaratra: Mitaky “vacation 2016” ireo mpitsara BEPC vao hitsara taratasim-panadinana

  • jeudi, 06 juillet 2017 20:03
  • Sary Sobika Antsirabe

Raha tokony ho nanomboka androany alakamisy tamin’ny 2 ora tolakandro ny fitsarana ireo taratasim-panadinana BEPC dia nandà tsy hitsara izany ireo mpampianatra fa nitaky ny handoavana ny tambin’ny fitsarana (vacation) tamin’ny taon-dasa 2016 aloha.

Nambaran’izy ireo fa fanambaniana tsotra izao ny lafiny fampianarana no ataon’ny tomponandraikitra ka raha tsy mivaha izany dia tsy hitsara ireo laza adina izy ireo.

Tetsy ankilan'izay dia nilaza ny lehiben’ny DREN Vakinankaratra fa tsy mbola nivoaka io vola “vacation 2016” io fa niandry ny fankatoavan’ny Solombavambahoaka ny teti-bola nasiam-panitsiana farany teo iny.

Tsy mbola nahazo “vacation” ihany koa ny mpitsara sy mpiambina tamin'ny fanadinana CEPE 2015-2016 teto Vakinankaratra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa