HJRA Anosy: Andro iraisam-pirenena ho an'ny fanomezan-drà

  • mercredi, 14 juin 2017 21:40
  • Sary Njaka

Isaky ny 14 jiona no ankalazana ny andro manerantany ho an’ny mpanome ra antsitra-po.

Eto Madagasikara dia mankalaza izany ihany koa izay natao tetsy amin’ny Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha.

Nisy moa ny lohahevitra nobanjinina tamin’izany indrindra tamin’ity taona ity dia ny hoe "Ny fanomezan-dra manoloana ireo voina tampoka ka amaliana ny fanontaniana hoe ny azo atao? Manomeza rà, manomeza hatrany."

Koa manentana ny vahoaka Malagasy mba hiroso amin’ny fanomezan-drà antsitra-po ahatratrarana ny tanjona napetraky ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana na ny OMS dia ny hoe fampiasana rà 100 isan-jato avy amin’ireo mpanome rà an-tsitrapo manerana izao tontolo izao amin’ny taona 2020.

Tsy mijanona ny 14 jiona fotsiny izany fanomezan-drà izany fa misy hatrany ny fandraisana izay afaka miroso amin'izany mandavan-taona.

 

 

Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa