Sambava: Harato tsy manarapenina mirefy 400 metatra nodorana ampahibemaso

  • mardi, 13 juin 2017 20:54
  • Sary Sobika Sambava

Harato miisa 04, mirefy 400 metatra eo no nodorana androany atoandro teo amoron’ny farihy Antohomaro, natrehin’ny Inspecteur de Pêche avy tany Antsiranana sy ny Talem-paritry ny Jono aty SAVA Rabezandry Bruno.

Saron’ny Vondron’Olona Ifotony ireo mpanarato mampiasa itony harato tsy manarapenitra itony, izay mifaoka hatramin’ireo zanatrondro madinika, ka hahalany tamingana ireo hazandrano ao anatin’ity farihy ity.

Tanora enin-dahy no tra-tehaka nanarato teny, ny alatsinainy 12 jiona tamin’ny 10 ora alina. Nisy trondro milanja 60kg eo koa sarona niaraka tamin’izy ireo.

Tazonina vonjimaika eny amin’ny Zandary Sambava izy ireo hatao famotorana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa