Ambodirina Toamasina 2: Nojeren'ny mponina alavitra fotsiny ireto mpitondra

  • lundi, 12 juin 2017 16:15
  • Sary Sobika Toamasina 2

Leo fampanantenana poakaty ny vahoaka'Ambodirina Toamasina faha-roa amin'ny faharatsian-dalana, vokatry ny fitaterana kraoma. Ny harena lasa avokoa, nefa ny miverina tsy misy.

Tonga taty amin'ny Kaominina Ambodiriana Toamasina 2 ny minisitra Narison sy ny Minisitra Joanita nametraka ny vato fehizoron'ny famokarana jiro ary nankalaza ny andro manerantany momba ny tontolo iainana, izay notronin'i député Toamasina 2 ary ny Sefo Distrika Toamasina 2 sy ny Ben'ny Tanàna Kaominina Toamasina 2, ny andro sabotsy 10 jona teo.

Ratsy tokoa ny lalana, tondraka ny rano ary lakana kely no nitsenan'ireo manampahefana aty an-toerana ireto vahiny.

Hita fa nitazan-davitra fotsiny ny vahoaka, fa ry zareo samy delegasionina no nanamaro isa teo. Mibitsika moa ny maro hoe, mba ataovy lakamby aloha ity lakana hazo ity vao miresaka zavatra hafa, sa ampanantena inona eto indray ity fitondran'i Rajaonarimampianina ity?

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa