Fianarantsoa : Polisy vavy iray voasazy 2 taona an-tranomaizina

  • jeudi, 20 avril 2017 13:57
  • Tahirin-tsary Sobika

2 taona an-tranomaizina, io no sazin’ilay vehivavy polisy nanondraka rano mangotraka sy nanao herisetra tamin’i Naivo, ny volana janoary lasa teo. 5 taona sazy miantona kosa ny an’ilay mpiray tsikombakomba aminy. Samy mandoa onitra 5 tapitrisa Ariary avy izy ireo.

Nivoaka ny marain’ity alakamisy 20 aprily ity ny didim-pitsarana momba io raharaha io teto Fianarantsoa.

Marihina fa efa nahazo fahafahana vonjy maika ny lehilahy niara voampanga tamin’ity vehivavy polisy ity.

Mbola maro ny baraingo mitoetra momba io tranga io fa ny tsapa dia mbola mitana ny sain’ny besinimaro izy io telo volana aty aorian’ny tranga.

Anatra hoetina misaintsaina ny fanararaotam-pahefan’ny mpitandro filaminana no andraisan’ny olona azy amin’ny ankapobeny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa