Mpamokatra lavanila : Mandry tsy lavo loha

  • jeudi, 20 avril 2017 11:04
  • Tahirin-tsary Sobika

Ny faha 23 ny volana mey izao no tapaky ny foibem-pirenena misahana ny lavanila ho fanokafana ny taom-piotazana mba ho fanajana ny fe-potoana tena hampatoy ny vokatra ka hahatratra ny atsaran'ny vokatra aondrana any ivelany. Mahavoasazy noho izany ny fiotazana ny lavanila alohan’io daty io.

Ny olana anefa dia mirongatra izay tsy izy ny halatra lavanila manta ka tsy vitsy ireo tantsaha no mamoy ny ainy amin’ny ady amin’ny mpangalatra noho ny fiarovan’izy ireo ny vokany toy izay niseho tany Nosy Varika ny faran’ny herinandro teo. Olona telo avy amin’ny fianakaviana mpamboly vanila no indray maty novonoin’ny mpangalatra.

Omaly tany Analalava, faritr’i Sofia dia vanila milanja 233kg ihany koa no tratran’ny mpitondra fanjakana notàzana talohan’ny fotoana ka voatery nosamborina.

Mitaraina noho izany ireo tantsaha ny mba hijerena ny fanamafisana ny fandriam-pahalemana any amin’ireo faritra mamokatra lavanila ireo mandram-pahatongan’ny fotoam-piotazàna.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa